Sujet de MALAGASY, Bacc Session 2017, Série C-D

NB: Tsy maintsy atao ny laza adina I.
Isafidianana ny laza adina II.

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao. (isa 6)

Fanontaniana
1°)- Vanimpotoana inona eo @ tantaran’ny Malagasy ity daty ity: 1930-1945?
Manomeza tara-kevitra roa (2) novoizin’ny mpanoratra tamin’io vanim-potoana io?
2°)- Avy aiza avy no ipoiran’ny tendry araka ny fiheveran’ny Malagasy? (valiny telo)

LAZA ADINA II: Isafidianana ny A sy B. (isa 14)

A – FAMAFAKAN-KEVITRA :
Hoy i E.D.A: “Ny mahasarotra ny fampijoroana ny rariny eto ambon’ny tany dia noho ny tsy fetezan’ny antokon’olona sasany hipetraka amin’ny toeran’ny hafa.”

Fakafakao

B – FANADIHADIANA LAHATSORATRA
NY TSINY
Heverin’ny Malagasy fa ny ankamaroan’ny aretina sy ny fahoriana ary ny loza sy ny fahavoazana rehetra izay midona dia vokatry ny tsiny. Ary ny atao hoe “tsiny” dia vokatry ny fahadisoana noho ny fanaovana zavatra tsy tokony hatao, na amin’Andriamanitra na amin’ny razana, na amin’ny olombelona toy ny ray aman-dreny, havana, mpiray monina, mpitondra, ets.
Heverin’ny Malagasy ho manan-kery sy mandaitra mihitsy ny tsiny fa ny “mosavy dombo, hono, tsy mahaleo ny tsiny maranitra” ary tena fandrava mihitsy. Ka rehefa voan’ny tsiny, an-koditra tsy afaka alàna, fa na ho afaka aza lahoina. Noho izany, dia isan’ny zavatra lehibe izay manan-kery tamin’ny ataon’ny Malagasy sy ny fitondra-tenany ny fahatahorany ny tsiny, ary izany no isan’ny fototry ny lalàna Moraly lehibe indrindra narahiny sy nataony fitsipika, ka amin’izay rehetra nataony dia fitandremana mba tsy hanan-tsiny no foto-javatra nokendreny.

Maurice RASAMUEL. in Kabary am-panambadiana sy amin’ny fanasana, tak 56

Hadihadio