Sujet de MALAGASY, Bacc Session 2021, Série S

N.B. : – Tsy maintsyatao ny Laza adina I
– Isafidianana ny Laza adina II

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 06)

  1. Omeo ny lohatenin’ny fizarana roa voalohany ao amin’ny boky Vakivakim-piainana. (Isa 2)
  2. Lazao avy ireo hery heverin’ny Malagasy fa mifaningotra amin’ny zotram-piainany. (Isa 2)
  3. Milazà dindo roa (2) nentin’ny Malagasy anehoana ny aina. (Isa 2)

LAZA ADINA II : Isafidianana ny laza adina A sy B (Isa 14)

A – FAMAFAKAN-KEVITRA
Hoy RASOLONJATOVO Joseph Martial : ” Ireny fady ireny no arofanina miaro ny fiarahamonina tsy hisy korontana “.

B – FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Ny mpanoratra dia mpanabe sady mpampianatra. Noho izany, tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloana ny sain’ny Malagasy izy. Koa mampatsiahy azy ireo izahay oe : efa voafaritrao poeta, ianao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina natolotrao ny Malagasy ? Anananao andraikitra izany.
Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao nateliny ka mankarary ny ambavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka zava-malagasy mapangetaheta azy.
Impiry ianao no nieritreritra fa ny tsy fahaizana mandanjalanja avy aminao no mety mamorika ny sain’ny Malagasy, izay efa miharatsy rahateo ? Ianao poeta, ianao mpanoratra, lalana mankaiza no isarihanao ny sain’ny Malagasy ?
Ianao no mpitari-dalana ka tsy ny fanafoanana izay efa tsara akory no fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha malagasy eo amin’ny toerana avo…
RANOE , Tantana, Tak. 34

Hadihadio ny lahatsoratra.