Sujet de Malagasy – Série C-D– 2022

MINISTERE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE                         
SECRETARIAT GENERAL                         
DIRECTION GENERALE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR DIRECTION DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR                         
Service d’Appui au Baccalauréat  
BACCALAUREAT DE L’ENSEIGNEMENT GENERAL        

SESSION 2022
C-DSérie  
Code matière
: C-D
: 005
Épreuve de :
Durée :
Coefficient :
MALAGASY
03 heures 30 minutes
3
N.B : -Tsy maintsy atao ny Laza adina I.
– Isafidianana ny Laza adina II.

I- LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (isa 06)
1. Milazà fikambanana roa ivondronan’ny mpanoratra Malagasy fatan-daza ankehitriny (isa 02)
2. Manomeza anarana gazety roa ankehitriny tsy miresaka afa-tsy literatiora. (isa 02)
3. Katsahina lalandava ny marina eo anivon’ny fiarahamonina, manomeza ohabolana roa maneho ny maha ratsy ny lainga. (isa 02)

II- LAZA ADINA II. Isafidianana ny A sy B. (isa 14)

A- FAMAFAKAN-KEVITRA
Hoy R.P. RAHAJARIZAFY :
” Vatomizana andanjalanjana ny fahendren’ny Malagasy ary refy andrefesanan ny fahalalany ny fanahy. “
Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA
Lasa ihany ny eritreritro rehefa mby tao an-tsaiko ilay tenin-dRamily hoe : “I Tsiry be kamo lahy be ! kamo ka tsy nahavita fianarana !”
Anisan’ny nampanaintaina ahy koa ny momba io tsy nahatontosako ny fianarana ambony io.
Mba niezaka ihany aho niari-tory tamin’ny labozia sy hatsiaka fa te-ho afaka. Nifoha maraina talohan’ny masoandro sy ny olo-miadana fa te-ho mari-pidirana (…) Mba nataoko avokoa izay tokony ho fiafian’ny mpianatra te ho tafita.
Indrisy anefa, (…) Dia tany amin’ny Voahangy anabavika aho no nisitrika (…) kanjo efa miandry ahy tao Ramily sy ny vava basiny !
-“Fa ahoana Ratsiry a ? Fangaha r’ise, izany fianarana, ambony izany natao ho an’izao atidoha kely rehetra rehetra izao a !…
Hadalanay angaha no mahazo BEPC dia nanao Zandary ? Izao : ny bokotra ananako, ny vola miditra ! Ary ity ise ?”
Raha ny hambom-ppo fotsiny dia ho nandeha avy hatrany aho tamin’izay, Saingy aiza nefa ?
(…) Dia naleoko nijanona nitampify teo ambanin’ilay bokotry Ramily ! Bokotra be efa-joro fenoin’ny mpamily vola isan’andro ! Saika izany avokoa manko, hono, ireny mpamily rehetra ireny, ka raha vao sakanany dia manome azy “saram-pisakaizana”. Sambatra izy.
L.P. ANDRIAMANGATIANA, in Vakivakim-piainana, tak 10-11

Hadihadio io lahatsoratra io.