Sujet Malagasy Série S-2021

MINISTERE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE
……………….
SECRETARIAT GENERAL
………………..
DIRECTION GENERALE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR
…………………
DIRECTION DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR …………………
Service d’Appui au Baccalauréat
BACCALAUREAT DE L’ENSEIGNEMENT GENERAL      
SESSION  2021
SSérie
Option
Code matière 
: Scientifique
: S
: 005
Épreuve de 
Durée 
Coefficients 
: MALAGASY
: 04 heures
: 3

N.B : -Tsy maintsy atao ny Laza adina I
-Isafidianana ny Laza adina II

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (Isa 06)

1. Omeo ny lohatenin’ny fizarana roa voalohany ao amin’ny boky Vakivakim-piainana. (Isa 2)
2. Lazao avy ireo hery heverin’ny Malagasy fa mifaningotra amin’ny zotram-piainany. (Isa 2)
3. Milazà dindo roa (2) nentin’ny Malagasy anehoana ny aina. (Isa 2)

LAZA ADINA II : Isafidianana ny laza adina A sy B (Isa 14)

A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy RASOLONJATOVO Joseph Martial : ” Ireny fady ireny no arofanina miaro ny fiarahamonina tsy hisy korontana “
Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA

Ny mpanoratra dia mpanabe sady mpampianatra. Noho izany, tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloanany sain’ny Malagasy izy. Koa mampahatsiahy azy ireo izahay hoe : efa mba voafaritrao poeta, ianao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina natolotrao ny Malagasy ? Anananao andraikitra izany.

Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao nateliny ka mankarary ny ambavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka zava-malagasy mampangetaheta azy.

Impiry ianao no nieritreritra fa ny tsy fahaizana mandajalanja avy aminao no mety mamotika ny sain’ny Malagasy, izay efa miharatsy rahateo ? Ianao poeta, ianao mpanoratra, lalana mankaiza no isarihanao ny sain’ny Malagasy ?

Ianao no mpitari-dalana ka tsy ny fanafoanana izay efa tsara akory no fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha malagasy eo amin’ny toerana avo…
RANOE, Tantana, Tak. 34


Hadihadio ny lahatsoratra.